Boky faharoan'ny Tantara 1:34
Ary Abrahama niteraka an’ Isaka. Ny zanakalahin’ i Isaka dia Esao sy Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Abraham begat Isaac. The sons of Isaac; Esau and Israel.
In Context
35Ny zanakalahin’ i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 1
Cross References
Genesis 25:19Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
Genesis 25:25Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
Genesis 32:29Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Malachi 1:2Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
Luke 3:34zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
Romans 9:10Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;