Boky faharoan'ny Tantara 10:1
Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 10
Cross References
1 Samuel 28:1Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
1 Samuel 29:1Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ ny loharano ao Jezirela.
2 Samuel 1:6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
2 Samuel 21:12Dia lasa Davida naka ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany tany amin’ ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ ny Filistina azy tamin’ ny andro namonoan’ ny Filistina an’ i Saoly tao Gilboa.