Boky faharoan'ny Tantara 10:14
ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 10
Cross References
Joshua 9:14Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
1 Samuel 13:14Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’ i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah anao ianao.
1 Samuel 16:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.
1 Samuel 28:6Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
2 Samuel 3:9Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
1 Chronicles 2:12ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;