Boky faharoan'ny Tantara 11:1
Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
Numbers 13:22Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Judges 9:2Mba mitenena ianareo eo anatrehan’ ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’ izy fito-polo lahy zanak’ i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
2 Samuel 5:1Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2 Samuel 19:12Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony
1 Chronicles 12:23Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:
Ephesians 5:30fa momba ny tenany isika.