Boky faharoan'ny Tantara 11:10
Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
1 Samuel 16:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.
2 Samuel 3:17Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
2 Samuel 23:8Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
1 Chronicles 12:21Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.
1 Chronicles 12:38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
1 Chronicles 27:1Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.