Boky faharoan'ny Tantara 11:20
Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
2 Samuel 2:18Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
2 Samuel 18:2Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
2 Samuel 21:17Fa Abisay, zanak’ i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’ izay ny olon’ i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ ny Isiraely.
1 Chronicles 2:16Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;