Boky faharoan'ny Tantara 11:23
Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
Deuteronomy 3:11Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.
1 Samuel 17:7Ary ny haben’ ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
1 Chronicles 20:5Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.