Boky faharoan'ny Tantara 11:5
Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
1 Samuel 17:9Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
1 Samuel 17:36Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
2 Samuel 6:10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
1 Kings 8:1Ary tamin’ izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon’ ny Isiraely sy ny lohan’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan’ i Davida.
2 Chronicles 5:2Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
Psalms 9:11Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.