Boky faharoan'ny Tantara 11:6
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 11
Cross References
1 Samuel 17:25Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
2 Samuel 20:23Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
Psalms 60:9Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;