Boky faharoan'ny Tantara 12:17
Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 12
Cross References
Genesis 31:42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
1 Samuel 16:4Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
1 Samuel 18:3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
1 Samuel 26:23Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
1 Kings 2:13Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
2 Kings 10:15Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.