Boky faharoan'ny Tantara 12:18
Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 12
Cross References
Judges 3:10Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
Judges 13:25Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.
1 Samuel 8:12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
1 Samuel 16:5Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra.
1 Samuel 24:12Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
1 Samuel 24:16Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.