Boky faharoan'ny Tantara 12:38
Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 12
Cross References
Genesis 49:8Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
1 Kings 8:61Ary aoka ho marina amin’ i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin’ ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin’ izao anio izao.
2 Kings 20:3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
1 Chronicles 12:33Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.
Psalms 101:2Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.
Ezekiel 11:19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,