Boky faharoan'ny Tantara 12:40
Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 12
Cross References
2 Samuel 16:1Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
1 Kings 1:40Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
1 Chronicles 29:22Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
Proverbs 29:2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
Luke 19:37Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany