Boky faharoan'ny Tantara 13:3
Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And let us bring again the ark of our God to us: for we enquired not at it in the days of Saul.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 13
Cross References
1 Samuel 7:1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
1 Samuel 14:36Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan’ ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an’ Andriamanitra etoana.
1 Samuel 22:15Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin’ Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin’ izany rehetra izany, na kely na be.
1 Samuel 23:9Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
Psalms 132:6Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika.