Boky faharoan'ny Tantara 14:11
Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 14
Cross References
2 Samuel 5:20Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
Psalms 18:13Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
Psalms 144:1Nataon’ i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
Isaiah 28:21Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.