Boky faharoan'ny Tantara 14:2
Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 14
Cross References
2 Samuel 7:8Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
1 Kings 10:9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
2 Chronicles 2:10Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
Esther 4:14fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
Isaiah 1:25Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.