Boky faharoan'ny Tantara 15:19
Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
So the singers, Heman, Asaph, and Ethan, were appointed to sound with cymbals of brass;
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 15
Cross References
1 Chronicles 15:16Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
1 Chronicles 16:42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
1 Chronicles 25:6Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
2 Chronicles 20:19Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny feo mahery indrindra.
Psalms 150:5Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.