Boky faharoan'ny Tantara 15:2
Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 15
Cross References
Numbers 3:6Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
Numbers 4:2Alao isa ny taranak’ i Kehata eo amin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
Numbers 4:19fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
Numbers 8:13Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
Numbers 18:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masìna; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
Deuteronomy 31:9Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.