Boky faharoan'ny Tantara 15:29
Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 15
Cross References
Numbers 10:33Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
Joshua 4:7dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
1 Samuel 4:3Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon’ ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan’ ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny fahavalontsika.
1 Samuel 19:11Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
2 Samuel 3:13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
2 Samuel 6:20Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.