Boky faharoan'ny Tantara 15:3
Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 15
Cross References
Leviticus 9:5Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
2 Samuel 6:17Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah.
1 Chronicles 13:2Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
1 Chronicles 15:1Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.
1 Chronicles 16:1Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
2 Chronicles 1:4Fa fiaran’ Andriamanitra efa nampakarin’ i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin’ izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.