Boky faharoan'ny Tantara 16:27
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Glory and honour are in his presence; strength and gladness are in his place.
In Context
26Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
28Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 16
Cross References
Nehemiah 8:10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Psalms 16:11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
Psalms 28:7Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
Psalms 63:2Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Ezekiel 1:27Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.