Boky faharoan'ny Tantara 16:34
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O give thanks unto the LORD; for he is good; for his mercy endureth for ever.
In Context
33Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 16
Cross References
2 Chronicles 5:13ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
Ezra 3:11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 107:1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psalms 136:1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.