Boky faharoan'ny Tantara 16:40
hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 16
Cross References
Leviticus 9:17Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana maraina.
1 Kings 18:29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
2 Chronicles 31:3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.
Ezekiel 46:13Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
Amos 4:4Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;