Boky faharoan'ny Tantara 16:41
ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 16
Cross References
1 Chronicles 6:33Ary ny Levita rahalahin’ ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ ny tabernakelin’ ny tranon’ Andriamanitra.
1 Chronicles 12:31Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.
1 Chronicles 16:34Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
2 Chronicles 5:13ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
2 Chronicles 20:21Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.