Boky faharoan'ny Tantara 17:24
Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 17
Cross References
Psalms 21:13Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
Psalms 90:17Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
Jeremiah 38:17Dia hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Izao ary no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin’ ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
Matthew 6:13Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.
John 17:1Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
Hebrews 8:10Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;