Boky faharoan'ny Tantara 18:11
Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 18
Cross References
Exodus 35:5Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
Joshua 6:19Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masìna ho an’ i Jehovah; hatao ao amin’ ny rakitr’ i Jehovah izany.
1 Samuel 27:8Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.
1 Samuel 30:20Ary Davida naka ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon’ i Davida.
1 Kings 7:51Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
1 Chronicles 20:1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.