Boky faharoan'ny Tantara 18:2
Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he smote Moab; and the Moabites became David’s servants, and brought gifts.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 18
Cross References
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
1 Samuel 10:27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
1 Kings 10:2ka tonga tany Jerosalema izy mbamin’ ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin’ i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
2 Kings 3:4Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
Psalms 68:29Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
Isaiah 11:14Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.