Boky faharoan'ny Tantara 19:4
Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 19
Cross References
Leviticus 19:27Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
2 Chronicles 36:16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Psalms 109:4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
Isaiah 20:4dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.
Jeremiah 41:5dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
Mark 12:4Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.