Boky faharoan'ny Tantara 2:23
Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 2
Cross References
Deuteronomy 3:14Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
Joshua 13:30Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an’ i Jaïra, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
1 Kings 4:13Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;