Boky faharoan'ny Tantara 20:1
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 20
Cross References
2 Samuel 11:1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2 Samuel 12:26Ary Joaba namely an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona ka nahafaka ny tanànan’ ny mpanjaka.
1 Kings 20:22Ary ilay mpaminany nankany amin’ ny i mpanjakan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan’ i Syria hiady aminao.
2 Kings 13:20Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Isaiah 54:16Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
Ezekiel 21:20Nahebihebiko teny amin’ ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.