Boky faharoan'ny Tantara 20:3
Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 20
Cross References
Exodus 1:14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
Judges 8:6Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
2 Samuel 12:31Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
1 Chronicles 19:2Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.