Boky faharoan'ny Tantara 22:16
Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely hanampy an’ i Solomona zanany hoe:
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 22
Cross References
Joshua 1:2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Judges 4:14Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
1 Samuel 17:37Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
1 Kings 2:2Izaho efa handeha amin’ ny lalan-kalehan’ ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
1 Chronicles 22:3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja