Boky faharoan'ny Tantara 22:2
Ary nasain’ i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 22
Cross References
1 Kings 5:17Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon’ i Jehovah ireo ho eo ambanin’ ny faladiany.
1 Kings 7:9Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin’ ny fanambaniny ka hatramin’ ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin’ ny kianja lehibe.
2 Kings 12:12Ary ny vola voalanja dia natolotr’ ireo ho eo an-tanan’ ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin’ ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’ i Jehovah
1 Chronicles 14:1Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 Chronicles 2:16Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ ny tanin’ ny Isiraely araka ny nanisan’ i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
2 Chronicles 8:7Ary ny amin’ ny olona sisa rehetra tamin’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Isiraely