Boky faharoan'ny Tantara 22:7
ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 22
Cross References
Deuteronomy 12:5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
Deuteronomy 12:21Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
2 Samuel 7:2dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
1 Kings 8:29mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
1 Chronicles 17:1Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin’ i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ ny neken’ i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
1 Chronicles 29:3Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’ Andriamanitro dia omeko ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, ho fanampin’ ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masìna, izay volamena sy volafotsy ananako,