Boky faharoan'ny Tantara 22:9
Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin’ ny androny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 22
Cross References
2 Samuel 7:12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Kings 2:15Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ ny rahalahiko, fa azony avy tamin’ i Jehovah.
1 Kings 8:56Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’ izay teny soa rehetra nampilazainy an’ i Mosesy mpanompony.
1 Chronicles 28:5Ary tamin’ ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen’ i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakan’ i Jehovah hanjaka amin’ ny Isiraely.
Job 34:29Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,