Boky faharoan'ny Tantara 23:4
Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 23
Cross References
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
1 Chronicles 6:48Ary ny loka azon’ ny taranak’ i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin’ ny firenen’ i Robena sy ny firenen’ i Gada ary ny firenen’ i Zebolona.
1 Chronicles 23:28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
1 Chronicles 26:29Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
2 Chronicles 23:18Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
Ezra 3:8Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.