Boky faharoan'ny Tantara 23:6
Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And David divided them into courses among the sons of Levi, namely, Gershon, Kohath, and Merari.
In Context
7Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 23
Cross References
Numbers 3:3Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
Numbers 4:4Izao no ho fanompoan’ ny taranak’ i Kehata ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masìna indrindra:
1 Chronicles 6:1Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
1 Chronicles 24:1Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2 Chronicles 8:14Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
2 Chronicles 31:2Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.