Boky faharoan'ny Tantara 24:4
Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 24
Cross References
Numbers 25:11Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
1 Chronicles 23:24Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
Nehemiah 12:12Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;