Boky faharoan'ny Tantara 25:5
Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 25
Cross References
1 Samuel 9:9(Fahiny teo amin’ ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin’ Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin’ ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
1 Chronicles 21:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
2 Chronicles 35:15Ary ny mpihira, taranak’ i Asafa, nitoetra teo amin’ ny fitoerany, araka ny didin’ i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan’ ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
Isaiah 8:18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.