The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Tantara › Boky faharoan'ny Tantara 25 › Boky faharoan'ny Tantara 25:6

Boky faharoan'ny Tantara 25:6

Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

All these were under the hands of their father for song in the house of the LORD, with cymbals, psalteries, and harps, for the service of the house of God, according to the king’s order to Asaph, Jeduthun, and Heman.

In Context

5Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.

7Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.

Read all of Boky faharoan'ny Tantara 25

Cross References

1 Chronicles 15:16Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.

1 Chronicles 15:22Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.

1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:

2 Chronicles 23:13Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Nehemiah 11:17Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.

Nehemiah 12:46Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Tantara 25:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Tantara 25:5Boky faharoan'ny Tantara 25Boky faharoan'ny Tantara 25:7 →