bible.software › Boky faharoan'ny Tantara › Boky faharoan'ny Tantara 26 › Boky faharoan'ny Tantara 26:31
Boky faharoan'ny Tantara 26:31
Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Among the Hebronites was Jerijah the chief, even among the Hebronites, according to the generations of his fathers. In the fortieth year of the reign of David they were sought for, and there were found among them mighty men of valour at Jazer of Gilead.
In Context
30Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
32sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen’ i Manase, ny amin’ ny raharahan’ Andriamanitra sy ny mpanjaka.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 26
Cross References
Joshua 21:39ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
1 Chronicles 29:27Ary ny andro nanjakany tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
This Verse In Other Editions
Study Boky faharoan'ny Tantara 26:31