Boky faharoan'ny Tantara 26:4
Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
5sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 26
Cross References
2 Samuel 6:12Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida.
1 Chronicles 15:18ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
1 Chronicles 15:24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
1 Chronicles 16:38ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.