Boky faharoan'ny Tantara 27:1
Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 27
Cross References
Exodus 18:25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Joshua 23:1Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
2 Samuel 23:8Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
1 Chronicles 11:10Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
1 Chronicles 28:1Ary novorin’ i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny firenena sy ny komandin’ ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin’ ny fananana rehetra an’ ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.