Boky faharoan'ny Tantara 28:9
Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masìna; dia mahereza ka mahefà.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 28
Cross References
Genesis 8:21Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Exodus 3:16Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
Deuteronomy 4:35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
1 Samuel 12:20Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
1 Kings 3:6Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany tahaka ny amin’ izao anio izao.