Boky faharoan'ny Tantara 29:18
Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ ny olonao mandrakizay izany fikasan’ ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 29
Cross References
Exodus 3:6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
Exodus 4:5mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
2 Chronicles 30:6Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
Psalms 51:10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
Psalms 119:166Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.