Boky faharoan'ny Tantara 29:2
Ary tamin’ ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’ Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 29
Cross References
Genesis 2:12ary tsara ny volamena amin’ izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
Exodus 28:17Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
Exodus 39:6Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely.
1 Chronicles 22:3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
1 Chronicles 22:16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
2 Chronicles 3:6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.