Boky faharoan'ny Tantara 29:22
Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 29
Cross References
Exodus 24:11Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
Deuteronomy 12:11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
1 Kings 1:31Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
1 Kings 1:39Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
1 Chronicles 12:40Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.
2 Chronicles 7:10Ary nony tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.