The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Tantara › Boky faharoan'ny Tantara 29 › Boky faharoan'ny Tantara 29:23

Boky faharoan'ny Tantara 29:23

Ary Solomona dia nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ i Jehovah ho mpanjaka handimby an’ i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then Solomon sat on the throne of the LORD as king instead of David his father, and prospered; and all Israel obeyed him.

In Context

22Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

24Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak’ i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an’ i Solomona mpanjaka.

Read all of Boky faharoan'ny Tantara 29

Cross References

Deuteronomy 34:9Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

1 Kings 1:30dia tahaka ilay nianianako tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.

1 Kings 1:46Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana.

2 Kings 11:19Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin’ ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin’ ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ ny mpanjaka izy.

1 Chronicles 22:11Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’ i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.

2 Chronicles 1:1Ary Solomona, zanak’ i Davida, dia nitombo hery tamin’ ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Tantara 29:23

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Tantara 29:22Boky faharoan'ny Tantara 29Boky faharoan'ny Tantara 29:24 →