Boky faharoan'ny Tantara 5:25
Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 34:15fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
Judges 2:12ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
Judges 8:33Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny.
2 Chronicles 25:14Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
Hosea 1:2Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
Revelation 17:5ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN’ NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN’ NY TANY.