Boky faharoan'ny Tantara 5:26
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 5
Cross References
2 Kings 15:19Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
2 Kings 16:7Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
2 Kings 18:11Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
1 Chronicles 5:6Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
2 Chronicles 30:6Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
Ezra 1:5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.